23/04/2024
FIZARANA FAHA 2
Hey ❤️ Jackpot be Ty ho zaraina androany Ty satria recette telo be Zao no zaraina miaraka eto da gny: POULET/ POISSON PANÉ, CROQUETTES DE POULET (nuggets) ARY GNY POULET PANÉ FAÇON KFC🤗🤗
Tena kinay natambatrako mitsy izy Telo io satria matetika afangaron'olo gny poulet pané s'y gny croquettes da eto tsika magnavaky anazy.
Tsy iao gny tena mahay wa an, fa gny fanaovako gn'ana sy gny nianarako gny zaraiko eto da ho an'izay managna méthode hafa afaka zaraina da ataovy am commentaire ao 😘
❤️POULET/ POISSON PANÉ❤️
ZAVATRA ILAINA:
✓PANE DE POULET / POISSON
✓poivre
✓Sira
✓Siramamy Kely (facultatif)
✓Tongolo gasy voatoto
✓Salamaho voatoto
✓Sauce soja (facultatif)
✓5 épices ( facultatif)
✓Atody
✓Farine (facultatif)
✓Chapelure
✓Menaka fagnendasana
FIKARAKARANA
-Sasana madio tsara gny akoho na trondro
-Tsihifina da atao agnaty koveta
-Arotsaka gny sira, poivre, siramamy Kely, tongolo gasy voatoto, sakamalaho voatoto ary gny 5 épices
- Afangaro tsara da alogna Kely eo 30 à 45min mba hahazo tsirony tsara gny agnatiny agny aby
- Raha akoho gasy gny ampiasaina da tsara raha atao précuit Kely alohan'ny anaovana gny panure mba tsy ho manta gny agnatiny ao zany hoe andrahoina Kely eky ( tsy asina rano fa arotsaka agnaty vilagny efa mafana ambony fatagna fotsiny da avela izy ho masaka am rano aterakany eo fa raha tsy mitera-drano izy da asina rano Kely tena Kely). Raha poulet de chair kosa da tsy mila atao précuit satria mora masaka Igny.
-Kapohina gny atody, asina sira sy poivre Kely Dia atokana
-omagnina ambony vilia samy hafa koa gny farine sy chapelure
-Raha vao maheno hoe pané pané d'efa zavatra ampiasaina panure zay. Panure a l’anglaise no ampiasaintsika matetika gny hoe ampandalovina farine aveo atody da aveo chapelure ilay zavatra ho endasina
- Raisina tsirairaiky gny akoho efa voahomagna Igny da ampandalovina agnaty farine, aveo atody aveo chapelure, raha tsy mampiasa farine da mety na Tonga da atody sy chapelure fotsiny da atokana am vilia madio izay vita.
-Afaka Tonga da endasina fa ho ana manokana andrasako 10 à 15 minutes eo ho eo mba mipetaka tsara gny chapelure igny
-Endasina am menaka akô magnano frite io amzay
-Endrasana doré tsara da arosoy amzay fa vita😉🤗
❤️ CROQUETTES DE POULET ( Nuggets)❤️
ZAVATRA ILAINA
*Nofon'akoho
*tongolo oignon
*Sira
*Poivre
*5 épices (facultatif)
*Tongolo gasy voatoto
*Sakamalaho voatoto
*Atody
*Farine
*Chapelure
*Menaka fagnendasana
*Mbola afaka asina paprika s'y zay sauce hafa tianao fa facultatif aby
FIKARAKARANA
-Sasana madio tsara gny nofon'akoho da tsihifina
-Tapatapaina madinidinika
-Mixéna miaraka amin'ny oignon na totohina amn'io fanotohan-kena io mety aby fa atao potika tsara
-Atao agnaty vilia jobo da asina sira, poivre, 5 épices, tongolo gasy voatoto, sakamalaho voatoto s'y izay sauce tianao atao amnazy, afaka asina fromage koa
-volavolaina arakaraka izay itiavanao anazy
-Ampandalovina farine, atody ary chapelure da atokana amin'ny vilia madio
-Ajanogna Kely 10min da endasina amizay🤗
ny tsôkôlaaa 🎉
🥰 POULET PANÉ FAÇON KFC 🤗
GNY ZAVATRA ILAINA SY GNY FIKARAKARANA da tena mitovy amin'ny fanaovana poulet pané ambony irÿ avao fa amin'ny panure no maha samby hafa anazy. Tsy chapelure no ampiasaina fa corn flakes na céréales. Somary totoina Kely fotsiny fa tsy atao potika be da mitovy amin'ny fanaovana poulet pané avao fanaovana anazy.
Zay eky gn'androany ❤️ ampitso koa🤗
Bisous be da atsovy avao iao raha mahamasaky anareo 😘
Sary fanehoana: tsy ana fa sary nisambosamboriko tam Instagram tagny da nasiko soratra fotsiny