30/12/2025
⚠️ Fahazarana tsotra ataon'olona andavanandro anefa tena manimba ny voa indrindra eo amin'ny tanora.
Mihamaro ny tanora tratran’ny aretin’ny voa ka tonga any amin’ny hopitaly rehefa eo amin’ny aretina efa sarotra. Tsy noho ny aretina nolovana izany, tsy noho ny aretina tsy fahita firy, fa noho ny fahazarana andavanandro heverina ho tsy mampidi-doza kanefa zava-doza rehefa mitambatambatra.
Ny mampanahy indrindra dia izao :
👉 Tsy marary avy hatrany ny voa rehefa manomboka simba.
Matoa misy soritr’aretina mipoitra, dia matetika efa nandroso be ny fahasimbana izay. Efa miha-ratsy ny aretina.
🩺 Inona no anjara asan’ny voa ?
Ny voa dia :
manivana ny poizina ao anaty ra
mandrindra ny rano sy ny sira ao amin’ny vatana
manampy amin’ny fanaraha-maso ny tosidrà
mandray anjara amin’ny fahasalaman’ny taolana sy ny ra
Rehefa simba ny voa dia voakasika avokoa ny vatana iray manontolo mihintsy.
🚱 Fahazarana manimba ny voa
🔹 Tsy misotro rano ampy tsara
Mila rano ny voa mba hiasa tsara. Raha tsy ampy rano, dia miasa mafy loatra izy ka mety ho simba tsikelikely.
🔹 Manolo rano amin’ny soda sy ireo karazana boissons énergétiques
Ireo zava-pisotro ireo dia be siramamy, caféine ary akora simika, ka mampitombo ny enta-mavesatra amin’ny voa raha ireo no hataonao solony rano rehefa te hisotro rano ianao.
🔹 Tsy matory tsara ary miantehitra amin’ny boisson énergétique
Ny tsy fahampian-torimaso sy ny caféine be loatra dia manimba mivantana ny fiasan’ny voa, indrindra rehefa mitohy isan’andro izany ka lasa fahazarana.
🔹 Mampiasa fanafody fanaintainana tsy voafehy tsara.
Ny fanafody sasany, raha raisina matetika tsy misy torohevitra ara-pitsaboana, dia manimba tsikelikely ny voa.
🔹 Mitana p**i matetika sy miaina ao anatin’ny havizanana.
Ny fitanana p**i ela anefa efa poritra sy ny tsy fisian’ny fitsaharana ampy dia manelingelina ny fanivanana poizina ataon’ny voa.
❗ Zava-dehibe tsara ho fantatra
Tsy mora sitrana ny voa rehefa simba
Mety hitarika dialyse na greffe rénale mihintsy ny fahasimban’ny voa.
Azo sorohina anefa ny ankamaroan’ny tranga raha mitandrina dieny mbola tanora.
✅ Torohevitra fiarovana
✔ Misotro rano ampy tsara isan’andro
✔ Ahena ny soda sy boissons énergétiques
✔ Matory tsara, mila ampy toromaso
✔ Aza mandray fanafody raha tsy ilaina
✔ Aza mitana p**i ela loatra
✔ Manaova fitiliana ara-pahasalamana tsindraindray
✍️ Famaranana
Ny fahasalamana dia harena tsy azo soloina.
Ny voa, rehefa simba, dia tsy mora miverina amin’ny laoniny.
Noho izany, tandremo dieny mbola salama, fa tsy miandry marary vao mihetsika sy tiatra.
📌 Lahatsoratra ara-pahasalamana – fampahafantarana, tsy misolo ny torohevitra ara-pitsaboana.
Le monde littéraire
Santé Naturelle AINA SOA
Sanatria Ze Hitsoaka