03/10/2025
Fiadanana o!
๐Sambatra izay olona maharitra fakam-panahy; fa rehefa voazaha toetra izy, dia handray ny satro-boninahitra fiainana, izay nolazain'ny Tompo homena izay tia Azy.
Jakoba 1 : 12
Ny ady izay atrehinao dia tsy natao hahalavo anao .
Apandalovina anao ireny mba hanandratana anao.
Ny fanamby rehetra dia lalana nataon Andriamanitra mba hahitany anao
Ny ady rehetra dia nataony mba hanehoana ny voninahiny
Ny tetika ratsin ny fahavalo hanapotehina anao dia hisolo fanandratana
Tsy resy ianao,tsy rava ianao fa fanomanan Andriamanitra anao ho amin ny hahavo ambony kokoa ny sedra sy ady lalovanao androany.
Tsy misy mpandresy tsy niady izany.
Mila maharitra fotsiny isika dia hivoka mpandresy.
Tsy mila kivy fa izay maharitra hatramin ny farany no ho vonjena.
Ny Fanahy masina anie hanampy sy hanome hery antsika.
Mirary tontolo andro feno fahasoavana ho antsika rehetra ๐