24/04/2026
Fomba fiteny anisan’ny manahirana ahy ity dia zaraiko anareo
« Olona manan-kaja”
Fa Iza no manan- kaja dia iza izany no tsy manana?
👉 iza no mendrika hajaina
👉 iza no olontsotra na “normal” fotsiny ?
Tsy ny olona no tsy manan-kaja…
👉 fa ny mason’ny fiarahamonina no sahy manasokajy.
Fahefana avy Aiza no ahasahiantsika manasokajy?
* ny vola Ve no haja?
* Ny toerana misy?
* ny laza?
TSAROVY FA
Raha manambany olona ianao…
dia na inona na inona toerana misy anao… tsy manan-kaja ianao.
Raha manaja olona ianao…
na tsy « fantatr’olona » aza ianao…
Dia olona « manan-kaja » ianao.
Ny olana fototra?
👉 hajaintsika ny olona iray tsy noho ny mahaizy azy, fa noho ny «vola » ananany, ny « diplaoma- ny » , ny @ « anarana » entiny, na ny « toerana » nametrahana azy, na koa noho ny « zava- bitany »
👉 Omentsika Haja n olona iray noho ny zavatra ety ivelany hita maso fa tsy noho ny « toetra Tsara » ao anatiny
Tsy te hisahirana akory isika hahalala ny olona iray raha vao hitantsika fa tsy misy mahamenamaso antsika eny aminy.
Raha vao manana kosa anefa ny olona iray na «titre » io na « Laza » na « voninahitra » avy hatrany dia miova ny fihetsintsika
Fanontaniana ary:
* Iza no tena manan-kaja?
👉 Ilay hajain’ny olona rehetra?
Sa…
👉 Ilay mahay manaja na dia tsy misy mijery aza?
Hafatra afaka raisinao Raha mety aminao:
👉 Ny haja
- Tsy « badge »
- Tsy titre.
- Tsy statut
- Tsy Harena
- Tsy fahaizana
1 Samoela 16:7
« Ny olona mijery ny miseho ivelany, fa Jehovah mijery ny fo.”
Jakoba 2:1
« Aza mizaha tavan’olona amin’ny finoana an’i Jesosy Kristy.”
Matio 23:11
« Izay lehibe aminareo dia ho mpanomponareo.”
👉 Ao amin’Andriamanitra, tsy misy “classe”.
Fa misy fo marina, mahitsy, madio, matahotra an’Andriamanitra
👉 Ny tena manan-kaja?
Ilay eken’Andriamanitra… fa tsy ilay asongadin’ny olona.
Iza no hajainao? Na hajainao manomboka izao?