18/08/2026
Hoan'izay vao manomboka manao viennoiserie ( mety ho hita any amin'ny sehatra hafa ihany koa)
❌TSY IZAY FITAOVANA REHETRA HITA ETO AMIN'NY FACEBOOK LAZAINA FA FANAOVANA VIENNOISERIE DIA HO METY ANAOVANA VIENNOISERIE DAHOLO❌
Ny mpivarotra materiel rehetra hita ato amin'ny facebook dia tsy ho voatery misehatra ao anatin'ilay asa daholo. Izany hoe na ny fomba fampiasa ilay fitaovana ho vidinao aza dia mety tsy ho hainy akory mampiasa azy.
Rehefa hividy matériel, indrindra ireo matériel lafo dia aleo manontany professionnel mba tsy ho very vola.
Mety hividy laminoir 50.000.000fmg ianao kanefa rehefa andefasana pâte dia tsy mitovy ny épaisseur mivoaka na lasa manimba ny pâte ataonao
Mety hividy pétrin 20.000.000fmg ianao kanefa tsy mety amin'ilay asa akory ilay izy na mora simba
Mety hividy four 25.000.000fmg- 50.000.000fmg ianao kanefa vao maika hanimba ny m**onao
Mety hividy chambre de pousse 15.000.000fmg ianao kanefa tsy mety mahazo température latsaky ny 50°C akory ianao
Ho anareo mpivarotra, azonareo atao ihany koa ny manontany professionnel rehefa hanafatra entana mba ho zavatra tsara sy tena mety ampiasain'ny mpampiasa azy no amidinareo
❌AZA MANARY VOLA❌