13/10/2025
Mbola tsy tratra ny tanjona : Aza mandihy tsy afa-tavony
Tsy tolona fitadiavan-tseza mihitsy ity tolona nataon'ny tanora ity, ka hipasoka domy hifamindramindra toerana eto fotsiny.
Mirava Sénat, mirava Assemblée nationale, ny HCC, CENI.
Ireo Governora efa tsy ara-dalana taona maro.
Miala préfet nanaiky natao fitaovam-pamoretana.
Mirava Governemanta minisitra 3 ireo, miaraka amin'ny Praiminisitra Rajoelina.
Tsy fotoana mihitsy izao, ilazana an'ity na izatsy ho lohany sy indraindraina nahatafita tolona.
Ny vavahady rehetra mibanaka. Mila samborina ireo mitady hilefa.
Dégage Rajoelina sy ny forongony.
Alaivo ny lapa. Ianareo any amin'ny faritany, fehezo ny anareo. Miaraha miasa amin'ny Forces Zay miaraka aminareo.
Aza manimba zavatr'olona na fananana iombonana.
Samia tsara
Ra-Hertz